airtel

Fampianarana

10-mars-2023

Fampianarana

Sosotra mafy ny governemanta Hakatona 1 volana ny “Polytechnique” Vontovorona…

Sample post image

Avy any amin’ny goveremanta ny baiko nentina nanakatonana ny Sekoly ambony politeknika Vontovorona, hoy ny loharanom-baovao azo antoka iray, manoloana ny toe-draharaha mafampana eny an-toerana.

10-mars-2023

Isan’ny nahasosotra mafy ny fitondram-panjakana ilay hira propagandin’ny filoham-pirenena ankehitriny navadiky ny mpianatra, ary misy sombiny lasa teny ratsy sy ompa mihitsy. Efa nivory nanomboka omaly ireo mpikambana ao amin’ny Filankevi-pifehezana na CODIS eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo, izay misy solontenan'ny Fakiolite iray avy, handinika ity raharaha ity, ary mety hisy mpianatra hampanantsoina, hoy hatrany ny loharanom-baovao mari-pototra. Mety tsy ho afa- bela ihany koa ny Talen’ny Sekoly ambony politeknika, izay namela ireo mpianatra hitokona, hoy hatrany ny fanamarihana.
MIOZONGOZONA NY SEZAN’NY MINISITRA
Na ny Minisitry ny Fampianarana Ambony aza mety ho voakitika, ho sahirana satria tsy voafehiny ny Campus universitaire (Mahajanga may, Toliara may, Vontovorona manompa Filoha). Hatramin’ny omaly aloha, tsy mbola nandrenesam-peo firy ny Minisitra.
METY HIKATONA 1 VOLANA
Matoa tonga hatramin’ny fanalana ny mpianatra amin’ny tranony dia ho henjana sy haharitra ela ela ity raharaha ity, hoy ny fanamarihana. Hidina eny Vontovorona ny mpitandro filaminana anio, hanatanteraka ilay teny midina na « note circulaire ». Etsy an-daniny ihany koa raha tsy misy ny fiovana, voalaza fa handeha ho any ivelany mandritra ny 1 volana ny Filohan’ny Onivrsiten’Antananarivo manomboka rahampitso 11 martsa hatramin’ny 11 aprily, kanefa izy no manana fahefana hamoaka ny baiko hisokafan’ny sekoly indray. Asa hoe hatao amin’ny fomba ampitain-davitra ve ny naoty fanokafana sa hikatona tanteraka ao anatin’izay iray volana izay? Sa ao anatin’izay no hanaovana ny fanamboarana ny tsy mety sy ny simba?
FAMPITAHORANA POLITIKA
Mety hosaziana mafy ny mpitarika ny mpianatra noho ny fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana, fa indrindra ilay resaka hira. “Ampitahorina mafy ihany koa ny mpianatra mba tsy hanao fihetsiketsehana amin’izao akaiky fifidianana izao, mba hisian’ny fitoniana satria mety hanome sary ratsy ara-politika ny mpitondra. Ezahina fehezina izay manao hetsika mety misy sary politika, mitovy amin’ny tsy nanekena ny Vehivavy TIM hiditra tao amin’ny Magro”, hoy ny fanehoan-kevitra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanomboka omaly 22 hatramin’ny 26 aprily ny herinandro maneran-tany ho an’ny fanabeazana,

Card image cap
23-avril-2024

Efa saika vita avokoa ny fandaharam-pianarana taonam-pianarana 2023-2024

Card image cap