nandraisan'ny kaominina fepetra
Ny ampitso ihany dia nandraisan'ny kaominina fepetra ilay tafo goraobaka tao amin'ny EPP Tanetibe, kaominin'Ambositra. Rehefa hitan'ny ben'ny tanàna ao an-toerana ny zoma teo fa goraobaka izany tafo izany dia ny ampitso marainan'io ihany dia efa voaentana avokoa ireo ray aman-drenin'ny mpianatra sy ireo tomponandraikitra ao amin'ny fokontanin'i Tanetibe hifarimbona amin'ny fanoloana ireto tafo baoritra hatramin'ny tetezamita 2009 ireto. Nosoloina fanitso avokoa ireo tafo goraobaka. Tsy niandry ela fa ny tontolo andron'ny sabotsy dia vita ny asa rehetra, raha ny hita tany an-toerana hatrany.
J. Mirija