airtel

Fampianarana

11-févr-2025

TAHAN’NY ANKIZY MAMONJY SEKOLY

Mihena isan’andro vokatry ny fahasahiranana

Sample post image

Mihena isan’andro ny tahan’ireo ankizy mpianatra mamonjy sekoly nanomboka ny volana Janoary

11-févr-2025

teo raha araka ny fanadihadiana natao tamina sekoly tsy miankina iray. Ankoatra ny aretina toy ny gripa mahery sy ny tazo dia fantatra fa antony mahatonga ireo mpianatra tsy hianatra ihany koa ny tsy fisian’ny sakafo hohanina any an-tokantrano. Sahirana ny ankamaroan’ny Ray aman-dReny noho ny tsy fisiam-bola ka amin’ny atoandro na hariva ihany vao mihinana. Mahatsiaro reraka ireo mpianatra vokatr’izany ka aleon’izy ireo mijanona any an-trano miandry ny fotoana hisian’ny sakafo feno manontolo mandritra ny tontolo andro. Tena misy akony goavana eo amin’ny fampandehanana ny asa fampianarana anefa ny tsy fahatongavan’ny mpianatra iray matetika raha araka ny fanazavan’ny talen-tsekoly iray. Anisan’ny ivon’ny fampianarana mantsy izao roa volana fahatelo izao hijerena ny lesoka sy ny tsy mety rehetra mialohan’ny hiatrehan’ny mpianatra ny fanadinana fifindran-kilasy na ny fanadinam-panjakana. Tsy misy anefa ny azo hatao hoy hatrany ity talen-tsekoly ity. Handoavam-bola 2.500 ka hatramin’ny 3000 Ar mantsy ny cantine sakafo atoandro isan’andro ho an’ny sekoly tsy miankina amin’izao fa tsy misy ny maimaim-poana.
Pati
Legende : Noana ny ankizy dia maro ireo tsy tonga mianatra !
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tontosa omaly Talata 27 May Tontosa omaly Talata 27 May ny fanadinana CEPE

Card image cap
28-mai-2025

Afaka tapa-bolana mahery eo ho eo dia higadona ny datin’ny 17 Jona hanatanterahana

Card image cap