airtel

Fampianarana

10-juil-2026

TAHINA RAZAFINJOELINA

"Aoka ho mpamorona ianareo

Sample post image

fa tsy mpanjifa fotsiny"

10-juil-2026

Notanterahina omaly 9 Jolay 2026 tao amin'ny Espace Rose By-pass ny lanonana fanolorana diplaoma ho an'ny andiany TOHY (Licence) sy SOAMIAHY (Master) eo anivon'ny IT University.
FINOANA, FIARAHA-MIASA
Nisy ny hafatra mafonja ho an'ireto manampahaizana vaovao ireto avy amin'Atoa Tahina Razafinjoelina, mpampianatra no sady filohan'ny filankevim-pitantanan'ity oniversite tsy miankina momba ny informatika ity ho an'ireto andiany roa ireto.Nampatsiahy izy hoe : ho sarotra lavitra ny fiainana, ka mila mahay miatrika zavatra sarotra, tsy mahazo mitsoaka ianareo. Zava-dehibe sy tsara indrindra eo amin'ny fiainana ny FINOANA hoy i Tahina Razafinjoelina izay nahitsy fiteny nanambara fa mahatsiravina ny mahita olona tsy mino intsony rehefa tafita fa hoe ho an'ny mahantra ny finoana: TSIA tsy marina izany, hoy izy satria tsy toa izao isika raha tsy noho ny fitahian'Andriamanitra sy ny famindram-pony lehibe . Tsarovy mandrakariva ihany koa fa ny raiamandreny no nahatonga anareo amin'izao toerana izao hoy izy. Manarak'izay dia aza manadino ny mpiara-belona, miaraha-miasa amin'ny Malagasy, aza tia tena. Mba ho mpamorona fa tsy mpanjifa ianareo, ho mpandray anjara fa tsy mpijery hoy i Tahina Razafinjoelina. Niantso ny fanjakana ihany koa ny tenany mba hisy tokoa ny fanamorana ny fampindram-bola ho an'ny tanora nivoaka fianarana, maro ny manam-pahaizana fa tsy manana ho enti-manana. Mba hamoraina koa ny antontan-taratasy ilaina amin'ny famoronana asa
FAHAIZANA MIAMPY FAHENDRENA
Ray mpiahy ity andiany farany ity moa ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy. Nambarany tamin’izany fa mendrika ny isaorana ireo Oniversite tsy miankina mandray anjara amin'ny fanomezana fampianarana tsara kalitao ary anisan’izany ny IT University. Nampahatsiahiviny ihany koa ny fisian'ny lalàna vaovao natao hanamafisana hatrany ny kalitaon'ny fampianarana ambaratonga ambony. Nitso-drano ireo mpianatra izy, ary nirary azy ireo hahatratra ny tanjony. « Tsarovy fa ny fahaizana tsy ampiarahina amin'ny fahendrena dia tsy misy dikany. Ary ny fahendrena ambony indrindra dia ny finoana, ka tazomy mandrakariva ny finoanareo. », hoy ny minisitra.
Nangonin'i RTT
 

Dans la même rubrique

22-juil-2026

Mila manana 3 hetsy Ar

Card image cap