ny hafatr'i Tahina RAZAFINJOELINA (TR) omaly nandritra ny fanamarihana ny faha 15 taonan'ny IT University teny Andoharanofotsy : tsy maintsy mifampatoky vao afaka miara-miasa ary tsy maintsy miara-miasa vao tafita. Ny Fahazarana sy fifampatokisana dia zavatra lehibe mila dinihantsika tsara isan'andro ary hanapahan-kevitra matotra, hoy izy. Olana eto amintsika, hoy i TR ny vao misy tsy mety kely dia hoe izay no mahavoa an'ilay gasy.Misy tsy mety koa anefa any amina firenen-kafa fa hain-dry zareo ny mifandamina sy mifanampy fa tsy mifanebaka isaky ny mihetsika. Tena zava-dehibe hoy izy ny fifampatokisana.
FIARAHA-MIENTANA MAMPAHOMBY
Fa ankoatran'izay dia nanamarika i Tahina Razafinjoelina fa fanombohana ihany izao, ny ho avy manan-danja kokoa noho ny lasa hoy izy. Nisaorany manokana ny mpanorina sy ireo mpiara-miasa rehetra ao amin'ny IT University. Tena nandalo fotoan-tsarotra isika fa nifanampy hatrany hoy i TR ary ny fitmbaran'ny fahalalantsika no nahazoana fahombiazana. Tsy an'olon-tokana ny fahombiazana fa fiaraha-mientana hoy ny teniny.
MANAMPAHAIZANA NY MALAGASY
Nanome hafatra manokana ho an'ireo manampahefana sy mpitantana ny firenena ihany koa i Tahina Razafinjoelina ka hoy indrindra izy : "atokiso ny manampahaizana malagasy atokiso ny leader malagasy fa mahavita azy ireo."Ny malahasy dia mamiratra eran-tany ami.a sehatra maro ka andao hifampatoky sy hifanampy isika hampivoatra ny fiainantsika eto an-tanindrazana hoy ny hafatr'i Tahina Razafinjoelina. Atokiso ny fanovana, hoy izy ary tadidio fa isika izao no tena fanovana.
Nangonin'i RTT