airtel

Fampianarana

14-déc-2021

Fampianarana

Tanin’ny oniversite “Saika lasan’ny olon-tsotra mpanao an-keriny”

Sample post image

Isan’ny olana sedrain’ny anjerimanontolom-panjakana amin’izao fotoana izao ny momba ny tanin’ny oniversite sy ireo foibem-pikarohana,

14-déc-2021

raha ny nambaran’ny filohan’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, Prof Sammy Gregoire Ravelonirina. Miraviravy tanana, hoy izy, ny fitondram-panjakana amin’ny ankapobeny ary ambaranay fa dia manome laka ny tany tsy tan-dalana sy matahotra ireo fanetribem-pirenena maka ny tsy azy sy maka an-keriny ny tanim-panjakana sy ny tanin’ny oniversite ary tanin’ny foibem-pikarohana. Ireo no atahoran’ny fitondram-panjakana ankehitriny. Jereo ny tranga eny Ankatso II, Toliara, Nosy be Hell ville sy ny maro hafa tsy voatanisa. Saika lasan’ny olon-tsotra mpanao an-keriny daholo ny tany. Na ny tomponandraikitra ambony ao amin’ny fanajariana ny tany ao amin’ny minisitera, na ny governemanta na ny fitondram-panjakana ambony, hoy hatrany ny tenany, dia manao be marinisa sy mikipy fotsiny amin’izao fa tsy mijery sy mandray andraikitra ka ho entina aiza ary ity firenena ity raha gaboraraka sy fahalovana ary tsy fandraisana andraikitra no hitantanana azy ?
\J. Mirija
 

Dans la même rubrique