airtel

Fampianarana

06-mai-2025

TAOM-PIANARANA VAOVAO 2024-2025

Niakatra ny saram-pianarana, efa manomboka ny fisoratana anarana

Sample post image

Nampiakatra saram-pianarana ny ankamaroan’ireo sekoly tsy miankina eto

06-mai-2025

an-drenivohitra sy ny manodidina manomboka amin’io taom-pianarana vaovao 2024-2025 io. Manomboka amin’ny 3.000 Ar ka hatramin’ny 5.000 Ar isaky ny mpianatra eo ho eo izy io ho an’ireo sekoly mampiasa ny teny Frantsay. Ankoatra izay dia efa manomboka ihany koa ny fisoratana anarana. Ho ana sekoly tsy miankina iray eny Atsimondrano eny ohatra dia efa nanomboka tamin’ny volana Aprily lasa teo izany ho an’ireo mihazakazaka manenjika ilay fihenam-bidy, hifarana ny volana Jona. 130.000 Ar eo ho eo io fanavaozana ny sara-pisoratana anarana io ho an’ny mpianatra iray raha 140.000 Ar kosa ny volana Jolay ka hatramin’ny volana Aogositra. Tafakatra 225.000 Ar kosa ireo izay tara io fe-potoana hisian’ny fihenam-bidy io ankoatra ny fitaovam-pianarana izay mbola hanomanana150.000 Ar any ho any ihany koa ny mpianatra iray raha kely indrindra. Kofona ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra raha fehezina. Mbola tsy mifarana akory mantsy ny taom-pianarana teo aloha dia efa tsy maintsy hihazakazahana indray ny fanomanana ny taom-pianarana vaovao ankoatra ny fiatrehana ny fiainana andavanandro. Ny vidim-piainana anefa eo an-daniny tsy mitsaha-miakatra sy midangana. Tsy misy dikany intsony ny 20.000 Ar entina eny an-tsena hividianana vary sy laoka ho an’ny ankohonana iray misy olona 4 ao anatin’ny andro iray.Tena sahirana ny Malagasy raha bangoina. Zara raha miaina sisa vokatry ny fahasahiranana.
Pati
Legende : Mitaky vola matevina isan-taona ny fampianaran-janaka eto amintsika ! 

Dans la même rubrique

23-juin-2025

Taorian’ny fanadinam-panjakana CEPC farany teo, dia niseho tao amin’ny Cisco Mahajanga II

Card image cap