airtel

Fampianarana

25-oct-2023

TAPITRA NY ROA VOLANA VOALOHANY

Mbola ny 50%-n’ireo mpianatra no tsy ampy fitaovana

Sample post image

Hifarana amin’ity herinandro ity sahady ny roa volana voalohany nisantaran’ny

25-oct-2023

mpianatra ny taom-pianarana vaovao 2023-2024. Hanomboka rahampitso Alakamisy 26 Oktobra ny fialan-tsasatry ny Toussaint na ny fetin’ny olo-masina izay haharitra herinandro eo ho eo. Saika nialohavan’ny fanadinana nitsapana sahady ny fahaizan’ny mpianatra izany nanomboka tamin’ny Alatsinainy teo. Ny tena mampalahelo anefa raha araka ny fanazavan’ny talen-tsekoly eo anivon’ny sekoly tsy miankina iray etsy Anosibe dia mbola betsaka amin’ireo mpianatra tsy ampy fitaovam-pianarana. Mahatratra hatrany amin’ny 50% mihitsy izany vokatry ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny, hoy hatrany izy. Niaina tamin’ny kahie 5 na 10 raha betsaka ny mpianatra iray nanomboka tamin’ny volana Septambra raha araka ny fanazavany hatrany ary tsy nisy fitomboany intsony izany. Misy amin’ireo mpianatra noho izany no voatery manambatra ny kahie lesona sy ny kahie fanazarana ho an’ireo efa lehibebe. Mikasika ny saram-pianarana moa dia notsiahivin’ity talen-tsekoly ity fa mihisatra dia mihisatra ny fandoavana izany. Mangataka fanemorana hatrany ny 80%-n’ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra ka misy efa tsy nahaloa saram-pianarana roa volana sahady ny sasany hatreto. Vokatry ny fahasahiranana lalina mahazo ny Malagasy avokoa no mahatonga izany. Ny fitondram-panjakana anefa etsy an-daniny mijery fotsiny tsy mieritreritra izay mba tolo-tanana entina hanamaivanana ny Ray aman-dReny. Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asa entina hampandrosoana ny firenena mantsy ny sehatry ny fanabeazana saingy tsy izany no hita sy misy eto amintsika.
Pati
Legende : Hatreto tsy mbola mety midina ny vidin’ny fitaovam-pianarana eny an-tsena !
 

Dans la même rubrique