airtel

Fampianarana

16-juil-2026

TARANJA SIANTIFIKA

Mihen-danja hatrany ny fitiavan'ny mpianatra azy

Sample post image

Mihen-danja ny fitiavan'ny

16-juil-2026

mpianatra ny taranja siantifika. Efa an-taonany maro no nitrangan'izany vokatry ny tahotra hoy Rtoa Solonandriana Lanto, Talen'ny sekoly tsy miankina La Prime etsy Anosibe. Matahotra ny taranja matematika ny ankizy mpianatra raha ny nambarany dia aleony manao tsianjery maimbo ny lesona. Lasa literera avokoa ny ankamaroan'ny mpianatra vokatr'izany rehefa misafidy sokajy hiatrika fanadinam-panjakana. Ho azy ireo manokana ohatra tamin'ity taona 2026 ity dia nofoanana mihitsy ny sokajy siantifika. Ny 30%-n'ny mpianatra tao amin'ny kilasy famaranana monja mantsy raha ny nambarany no nisafidy izany fa ny 70% ambiny dia literera avokoa. Vahaolana naroson'ity talen-tsekoly ity noho izany ny tokony hamerenana ny fiofanan'ny mpampianatra. Ireo mpampianatry ny sekoly ambaratonga fototra ihany mantsy sisa no mahazo izany ankehitriny. Ny ao amin'ny kolejy sy ny lisea kosa dia tsy misy intsony izany, indrindra fa ho an'ireo sekolim-panjakana. Raha misy aza hoy izy dia vokatry ny ezak'ireo sekoly tsy miankina izay miezaka mitady fiofanana ho an'ireo mpampianatra ao aminy. Tsiahivina moa fa 180 ora no hianaran'ny mpianatra iray ny taranja matematika ao anatin'ny taom-pianarana iray. 144 ora kosa ny fizika izay azo lazaina ho betsaka ihany saingy ilay finiavana hifantoka sy hampiasa saina no tsy ampy.
Pati
Légende : Tsy mahaliana ny mpianatra intsony ny taranja siantifika amin'izao !

 

Dans la même rubrique

22-juil-2026

hosoka, roa hafa narary tampoka

Card image cap