airtel

Fampianarana

13-mars-2024

Taratasy ilaina amin’ny fanadinam-panjakana

Maimaimpoana avokoa ho an’ny kaominina Alasora

Sample post image

Sahirana ny ankamaroan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra ankehitriny.

13-mars-2024

Na ny sakafo hohanin’ny mpianatra aza efa tena tsy zarizary vokatry ny fahasahiranana sy ny fidangan’ny vidim-piainana. Indray mandeha isan’andro ihany no mba miara-misakafo ny mpianakavy fa ny ankoatra izay dia miaina amin’izay sakafo masaka hita eny rehetra eny fotsiny. Manoloana io tranga io dia samy miezaka manao izay anjara tandrifiny azy ny tsirairay mba hahafahana mampitombo ny taham-pahafaham-panadinan’ny mpianatra indrindra fa ireo hiatrika fanadinam-panjakana. Ho an’ny kaominina Alasora Avaradrano manokana dia fantatra fa maimaim-poana avokoa ny fikarakarana ireo karazana antontan-taratasy ilain’ny mpianatra amin’ny fiatrehana ny fanadinana toy ny bulletin de naissance … Hetsika efa fanaon’ny kaominina isan-taona entina hanampiana ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra izy io raha araka ny fanazavan’Atoa Rehotrozo Tojo, lefitra faharoan’ny Ben’ny tanana. Ankoatra izay dia nazavainy ihany koa fa efa mahatratra 300 isa ankehitriny ireo ankizy mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana BEPC manaraka ilay cours maimaim-poana omen’ny kaominina isaky ny andro Sabotsy ao amin’ny CEG raha 250 isa ireo hiatrika ny Bakalorea izay manaraka izany ao amin’ny lisea. Mbola mitohy hatrany moa ny fisoratana anarana ho an’ireo mpianatra ao Alasora mbola tsy tafiditra, raha araka ny fanazavany hatrany.
Pati
Legende : Izy no Rehotrozo Tojo, lefitra faharoan’ny Ben’ny tananan’ny kaominina Alasora !
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Mampiaka-peo manoloana ny olana samihafa miverimberina ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo

Card image cap
24-juil-2024

Anisany mpandray anjara tamin'ny hetsika Madagascar school Fair teny amin'ny Radisson Blu

Card image cap
24-juil-2024

Hafakely ny tranga nandritry ny fanadinana bakalorea tany Ambositra ny andro voalohany,

Card image cap