airtel

Fampianarana

08-déc-2021

Fampianarana

Teach for Madagascar, OSC, WHH, Agrisud Hiara-hiasa amin’ny minisiteran’ny fanabeazana

Sample post image

Tontosa omaly 07 desambra 2021 tao amin’ny efitrano malalaky ny Minisiteran’ny Fanabeazam-Pirenena Anosy ny Fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa efatra niarahan’ny Minisitry ny

08-déc-2021

 Fanabeazam-Pirenena Sahondrarimalala Marie Michelle sy ny solontena avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka dia ny « Organisation de la Société Civile » (OSC), ny ONG « Teach for Madagascar », ny « Association française Agrisud International », ary ny « ONG Welt Hunger Hilfe » (WHH). “Tafiditra anatin’ny lalan-tsaina mahakasika ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana izao fiaraha-miasa napetraka izao ary tsy manana ahiahy ny amin’ny fanantanterahana izany ny minisitera satria efa hita avy hatrany ny fahavononana eo aminareo mpiara-miasa izay isaorana manokana », hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena. Fiaraha-miasa izay nilazana fa tsy miompana fotsiny amin’ny fanomezana fahalalana ny zaza Malagasy ny sehatry ny fanabeazana fa mitondra fanatsarana ny amin’ny fitantanana amin’ny ankapobeny iarahana amin’ny fiaraha-monim-pirenena, ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana amin’ny maha-olom-pirenena sy fandraisana andraikitra izay iarahana amin’ny Teach for Madagascar, ny fampisakafoana ny ankizy eny anivon’ny fokontany 40 any amin’ny faritra Itasy izay ataon’ny Agrisud, ary ny fampianarana fanajana tontolo iainana iarahana amin’ny Zaza Green. “Asa lehibe izany ary mankasitraka ny mpiara-miombon’antoka fa hita izao fa tsy irery ny minisitera amin’ny fiahiana ny zaza Malagasy”, raha ny nambaran’ny Minisitry ny fanabeazana hatrany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Tsy handalo fotsiny ihany ny fahatsiarovana ny faha-77 taonan'ny tolom-panafahana 1947

Card image cap