airtel

Fampianarana

29-juil-2022

Fampianarana

Tekinolojia sy fivoarana Etsy amin’ny Novotel Ivandry no fotoana

Sample post image

Etsy amin’ny Novotel Ivandry no fotoana raha te hahalala ny tsara ho fantatra rehetra momba ny tekinolojia sy fivoarana.

29-juil-2022

Ho tontosaina anio eny an-toerana ny hetsika antsoina hoe “Salon du digital et de l’innovation”, izany hoe, ny fampiratiana goavana momba izay tekinolojia dizitaly sy ny fivoarana entin’izany rehetra izany izay. Hisy ao anatin’izany ny famelabelaran-kevitra entin’ny avy eo anivon’ny IT University amin’ny alalan’ny tomponandraikitra eo anivon’ity oniversite misehatra amin’ny tontolon’ny informatika ity, Vahatriniaina Rakotomalala. Hitondra ny anjarany koa anefa ry zareo eo anivon’ny MVola amin’ny alalan’ny tale misahana ny atao hoe Big Data Analytics sy Credit risk ao amin’ny MVola. Ho velabelarin’izy mirahalahy ao anatin’izany moa ny lohahevitra tsotra nefa tena mbola zara raha misy mahalala sy mahafehy mitondra ny lohateny hoe “Big data & Machine Learning”, raha ny fampitam-baovao voaray hatreto aloha.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanomboka omaly 22 hatramin’ny 26 aprily ny herinandro maneran-tany ho an’ny fanabeazana,

Card image cap
23-avril-2024

Efa saika vita avokoa ny fandaharam-pianarana taonam-pianarana 2023-2024

Card image cap