airtel

Fampianarana

08-déc-2022

Fampianarana

Tetik’asa « Mois du Numérique » Olona manodidina ny 3000 no nahazo tombotsoa mivantana

Sample post image

Nifarimbona ny teo anivon’ny fitaleavam-paritra miisa enina eto anivon’ny MNDPT na ny Ministeran’ny Fampiroboroboana sy ny Fanovàna ny Haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra dia ny Analamanga,

08-déc-2022

Mahajanga, Toliara, Fianarantsoa, Toamasina ary Antsiranana nanatontosa ny hetsika volana ho an’ny Nomerika na ny “Mois du Numérique" nandritra ny volana novambra teo, araka ny fampitam-baovaon’io Minisitera io. Sokajin’olona marobe, toy ny mpianatra, mpampianatra, mpiasam-panjakana no nisitraka izany, tahaka ireo Chefs ZAP, ny Talen-tsekoly, ny Officier supérieur militaire, sous-officier sy “troupe militaire”, ny mpiara-miasa teo anivon’ny Ministeran’ny Tanora, ny Ministeran’ny Atitany, ny Ministeran’ny Angovo, ny Ministeran’ny mponina, ny Ministeran’ny Rano ary koa ny teo anivon’ny CNAPS. Nianaka nanerana ny nosy, tsy nifidy sehatra na ivon-toerana hanomezana fahalalana ka isan’izany ny seham-pampianarana : EPP, CEG, Lycée, Oniversite, ny fokontany maro teto amin’ny Nosy, ireo fikambanana maro samihafa any amin’ny faritra toy ny fikambanam-behivavy, ny ivon-toerana mpitaiza tanora dia ny skoto zazavavy sy zazalahy, ny tanora mpanao fanatanjahantena, ny ivotoerana mpiahy sy mpikarakara ankizy kamboty sy nianjadian’ny herisetra, ny vondron’ny antoko-pivavahana musulman,… Tetik’asa natao ho fanakaikaizana ny mpiara-belona eny ifotony, hiadina amin'ny fitokan-monina nomerika. Nanamarika ny MNDPT fa ankoatra ny fizaràna “internet” maimaimpoana, dia nisy ny fampahafantarana, fampiofanana, fanentanana fa indrindra fizaràna traikefa eo amin’ny sehatry ny nomerika, ny fampianarana ny fikirakirana ireo fitaovana ara-teknolojia vaovao sy ny lalàna mifehy izany izay nifampizarana ka nipaka mivantana tamin’ireo mpiray tanindrazana manerana ny Nosy. Mpisitraka Arivo no nokendrena, avo telo heny ny tontosa tamin’ity hetsika ity izay inoana fa tsy hijanona fa hitohy hatrany. Ho ezahin’ny Ministera ny hametraka izao hetsika izao haharitra satria tena ilaina ary namaly tanteraka ny filan'ireo olona eny amin'ny faritra sy manerana ny Nosy, hoy ny MNDPT.
Toky R
 

Dans la même rubrique