airtel

Fampianarana

14-sept-2021

Fampianarana

Tontolon’ny fampianarana Olana goavana ny fandoavana ekolazy

Sample post image

Mitaraina fatratra noho ny fahasahiranan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra ny ankamaroan’ireo sekoly tsy miankina eto amintsika.

14-sept-2021

 Ankoatra ny tsy fahampian’ny fitaovam-pianarana hampiasain’ireo mpianatra mantsy dia fantatra ihany koa fa tena marobe ireo manana olana amin’ny fandoavana saram-pianarana efa no tapa-bolana izao. Zara raha misy manatitra saram-pianarana ny Ray aman-dReny indrindra fa ho an’ireo sekoly mametraka ilay fepetra tsy maintsy handoavana izany eo amin’ny fahadimin’ny volana hitsahina. Ho an’ny kilasy iray raha araka ny fanazavan’ny talen-tsekoly iray dia ny ampahatelon’ny mpianatra sisa no mahaefa izany ara-dalana. Saika mangatak’andro kosa ny ampahatelony raha tsy ahenoana feno mihitsy ireo Ray aman-dReny sasany. Sahirana ny ankamarona’ny tokantrano Malagasy hoy ny talen-tsekoly iray, indrindra fa tamin’ity taona 2021ity. Fohy loatra mantsy hoy izy ny fotoana tsy maintsy nanangonana ny fitaovam-pianaran’ireo mpianatra….hany ka miraviravy tanana ny Ray aman-dReny. Amin’ny ankapobeny moa dia tsy sarotiny loatra amin’ity fahataran’ny fandoavana saram-pianarana ity ireo sekoly tsy miankina saingy miantso ireo Ray aman-dReny mba hiezaka kosa hahafahany mandoa ny tambin-karaman’ireo mpampianatra.

Pati

 

 

 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap
24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap