airtel

Fampianarana

28-août-2023

TRANGA TENY ANKATSO SY MAHAMASINA

Iza avy no tompon'andraikitra, ampiharo ny lalàna

Sample post image

Nanamarika no sady nanamaloka ny herinandro lasa iny ny tranga roa teto Antananarivo.

28-août-2023

Ny voalohany dia ilay fisamborana mpianatra narahana daroka sy herisetra teny amin'ny oniversiten'Antananarivo.Mpianatra iray, tsy mitondra fitaovam-piadiana, efa hita fa manangan-tanana sy tsy hitsoaka intsony no mbola nodakana, nofehana ny tehamaina, nasiana totohondry, ny tositosika sy ny ompa efa tsy lazaina intsony. Ny faharoa dia ilay savorovoro sy fifanosehana teo amin'ny vavahafy C5 kianjan'ny Barea Mahamasina ny zoma tolakandro nandritra ny lanonam-panokafana ny lalaon'ny nosy. 12 no maty, misy ankizy sy vehivavy, 85 no naratra. Hetsika heverina fa efa avo lenta, iraisam-pirenena, natrehana filoham-pirenena vahiny miisa 3 kanefa nahoana no nisy tranga tahaka ireny izay na ahoana na ahoana ambara dia goragora tamin'ny fikarakarana ireny. Nahavariana ihany hoe : nahoana no tsy voafehy sy nandraisana fepetra hentitra tahaka ny natao tamin'ireo mpianatra teny Ankatso ny tetsy Mahamasina ? Nomena alalana manokana hiditra ny faritry ny oniversite ireo mpitandro filaminana mba hikaroka sy hisambotra ireo nolazaina fa maditra sy manakorontana. Fa nahoana no tsy hentitra tahaka izany ny fitandroana ny filaminana teny amin'ny kianja Barea sy ny manodidina, efa fantatra mazava hoe firy ny olona zakan'io kianja io anefa. Marina fa niteny sy niezaka nanazava ny mpitandro filaminana saingy efa maty sy naratra ny olona; ny andrasana izao dia ny hoe : ampiharo foana ny lalàna, fa tsy sanatria avelavela fotsiny amin'izao fa aina no nafoy ary azo sokajiana ho "homicide involotaire" na famonoan'olona tsy nahy ireny, melohin ny lalàna izany. Fanadihadiana matotra fa tsy maika hanilika rihitra sy hanome tsiny fotsiny na abolisatra any amin'ny resaka politika indray.
TOMPON'ANDRAIKITRA MODY FANINA
Raha any amin ny tany tan-dalàna sy tena demokratika dia efa maro be no nigadra ary fara fahakeliny dia nisy ny fanesorana amin' ny toerany ireo tompon'andraikitra.Fa ny eto moa sady tsy fomba fiasa no tsy kolontsaina ny fanekena hoe tompon'andraikitra ianao sy ny fanetren-tena hoe nisy fahadisoanao ilay zava-nitranga ka aleo manaja tena miala, dia miandry ny fanadihadiana mety hatao aminao. Ny tena mampiahiahy dia sao nomena orinasa tsy miankina ny resaka fandaminana sy fitandroana ny filaminana ka ny tena matihanina amin'izany indray no voahilika. Manarak'izay : iza marina no manome baiko sy toromarika, ary ahoana ny fizarana andraikitra sy fomba fiasa ? Izay anie no efa nampanahy ny maro hoe fa ahoana ity lalaon'ny nosy toa atao, tsy atao ity e ? Hita nibaribary izao fa nisy tandrametaka ny fanomanana, ary nisy resaka nifandiso tamin'ny fandaminana tao.Tsy vitan'ny hoe nanala baraka ny firenena, izay efa tena zavadoza fa namoizana ain'olombelona ary mety hampitondra takaitra mandra-maty ho an'ireo naratra mafy. Tsy tokony ho vitan'ny fialan-tsiny sy tapi-maso amin'ny hoe iantohan'ny fanjakana ny fitsaboana fa mila atao mazava ny resaka sy fanadihadiana dia ampiharina ny lalàna. Lesona lehibe ihany koa ireny hoe mila fiomanana sy fandaminana ny zava-drehetra ary aleo misoroka toa izay mitsabo satria ny nenina tsy ao alohan'anatra fa aorian-datsa. ENCADRE Manaraka akaiky ny toe-draharaha misy ny Tia Tanindrazana ary manampy ireo niharam-boina saingy mihevitra kosa fa tsy alaina sary sy aparitaka izany mba ho fisorohana ny sanatria fanararaotana ara-politika mety hisy.
RTT 

Dans la même rubrique