airtel

Fampianarana

17-oct-2022

Fampianarana

Tranombokin’ny fandriampahalemana Nosokafana ihany koa ny ao Andavamamba

Sample post image

Ho fanabeazana ara-pandriampahalemana ny ankizy dia nosokafana ihany koa ny tranombokin’ny fandriampahalemana ho an’ny EPP Andavamamba ny sabotsy teo.

17-oct-2022

Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny HWPL, Holisoa Andriamanisa, dia fiaraha-miasan’ity rafitra iraisampirenena momba ny fandriampahalemana ity amin’ny CISCO Antananarivo renivohitra izy ity. Zava-dehibe indrindra ny fanabeazana hahafahan’ireo ankizy ho tonga olon’ny fandriampahalemana, hoy izy. Tena olana eto Madagasikara ny tsy fandriampahalemana ka aleo beazina dieny mbola kely ireo ankizy ireo mba hanome lanja izany fitiavana fandriampahalemana sy fitiavana olombelona izany. Misy ny fanaraha-maso iarahana amin’ny kaominina renivohitr’Antananarivo amin’ny alalan’ny “bibliothèque municipal” izay manofana ireo mpitana tranomboky hanatontosa izany fanaraha-maso izany. Nisy fanadihadiana natao tamin’ireo sehatra rehetra ka nahafahana nahita fa ny sehatry ny fanabeazana no tena ahafahana mitory fandriampahalemana eto Madagasikara. Tranomboky hatrany no fidiana hapetraka satria ny vaky boky no tontolo iray hahafahana mahafantatra zavatra be dia be. Tsy hanana fahafahana ho any ivelany na hitety izao tontolo izao ny ankizy fa amin’ny alalan’ny vaky boky no hanaovany izany sy hananany nofinofy ary fanantenana ho an’I Madagasikara. Efa misy tranombokin’ny fandriampahalemana ihany koa moa ao amin’ny EPP Ampasandratsarahoby sy toeram-panabeazana samihafa, hoy hatrany ny fanazavana sy fanamarihana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Misavoritaka tanteraka ny raharaha eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao,

Card image cap