manofana manam-pahaizana hanana diplaoma doctorat eo anivon'ny Université Catholique de Madagascar na ny UCM etsy Ambatoroka. Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly Alakamisy 26 Martsa ny fankalazana izany izay mifamatotra amin'ny Centre de Recherche pour le développement, toerana fanaovan'ny mpianatra fikarohana entina hanatsarana ny vokatra. Hatreto raha araka ny fanazavan'ny Mompera Charles Randrianasolo, lefitry ny rektoran'ity sekoly ambony iray ity dia efa tafakatra 39 isa ireo manam-pahaizana nahazo doctarat nivoaka tao amîn'izy ireo. Mbola mahatratra 100 mahery koa ireo manaraka fiofanana an-dalam-panomanana ny soutenance ankehitriny. Eken'ny fanjakana ny diplaoma havoakanay no sady maneran-tany mihitsy hoy hatrany ity Rektora ity. Hitohy amin'ny fikarohana amin'ny alalan'ny colloque international ny hetsika hotontosain'izy ireo ny datin'ny 28 sy ny 29 Aprily ho avy izao handraisan'ireo manam-pahaizana maro anjara. Farany izay tsy kely akory dia hisy koa ny famoahana ireo dokotera vaovao mbola tsy nahazo diplaoma izay hiarahana amin'ny fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara. Ny datin'ny 05 sy ny 06 Novambra ho avy izao no hanaovana izany.
Pati
Légende : Ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny sekoly ambony UCM Ambatoroka notarihin'ny Mompera Charles Randrianasolo, lefitry ny Rektiora !