airtel

Fampianarana

26-août-2022

Fampianarana

“Vacation” bakalorea Manome 72 ora handoavana azy ireo mpampianatra

Sample post image

Na teo aza ny fampanantenana handoavan’ny oniversiten’Antananarivo ny “vacation” ho an’ireo mpampianatra nanatanteraka ny bakalorea, dia mbola tsy voarain’izy ireo ny volany hatramin’izao.

26-août-2022

Ny minisitra nilaza fa efa nalefa tany amin’ny fiadidian’ny Oniversite nanomboka ny 2021 ny vola. Manodidina ny 200 eo ireo mpampianatra eto Antananarivo no tsy nahazo ny volany, ary mitaky ny handoavana ny “vacation” tsy mbola azo hatramin’ny 2018. Tokony ho nandritra ny herinandron’ny 25 jolay raha ny nambaran’ny Minisitera, saingy tsy mbola nivoaka ihany hatramin’izao. Olon-dehibe nifanaiky, kanefa hatramin’izao tsy mbola azonay, hoy ireo mpampianatra. Nisafidy ny nanatona ny Fiadidian’ny Repoblika noho izany ireo mpampianatra omaly noho izy ireo tsy voaray ny alarobia teo satria nisy fandraisana ireo mpilalaon’ny Ankoay teny Andapa. Nifamotoana teny amin’ny LMA Ampefiloha ireo mpampianatra Nanao diabe niakatra teny Ambohitsorohitra. Tsy noraisin’ny Fiadidian’ny Repoblika izy ireo afak’omaly. “Raha ny zavatra marina sy fantatray dia efa nomen’ny Fanjakana ny vola, fa mety lanin’ny ao amin’ny oniversite. Tany amin’ny Minisitera izahay, nanome porofo fa efa nomena ny vola, tany amin’ny Fiadidian’ny Repoblika ary nahazo porofo fa efa nivoaka ny vola. Tena tsy mety ny ataon’ny Filohan’ny oniversite sy ny Tale ara-bola (DAF) an’ny oniversite. Tsy volanareo no angatahinay fa anay, ny asanay efa vita ara-dalàna, tena hambaniana tanteraka ny mpampianatra. Olon-dehibe ve ny Filohan’ny oniversite dia fitahina ny mpampianatra. Ianao ihany koa mba mpampianatra, ary tsy tonga tamin’io toeranao io raha tsy nisy ny mpampianatra. Miantso azy izahay fa tsy raisiny”, hoy ireo mpampianatra. Ny fidiran’ny mpianatra efa amin’ny 5 septambra, inona no hampidirana ny mpianatra, hoy izy ireo. Nanome fe-potoana 72ora hamoahana ny volany noho izany ireo mpampianatra, ary milaza hanao hetsika goavana raha tsy mahazo valiny mahafa-po. Tany aloha, efa naneho ny teo anivon’ny oniversite fa tsy ampy ny vola ka inona marina ny tena marina ao anatin’izao raharaha izao? Fa nahoana no tsy haloa fa iandrasana grevy foana ny vola amin’ny sehatry ny fampianarana? Tsy efa “charge fixe” na vola efa tsy maintsy haloa ve izany ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap
23-avril-2024

Notsiahivin’Atoa Rakotondrainibe Besa Joseph Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny CONAMEPT CONAMEPT

Card image cap