airtel

Fampianarana

17-juin-2026

VALIM-PANADINANA CEPE

Tombanana hivoaka amin'ny Alahady

Sample post image

Tombanana hivoaka amin'ny Alahady 21 Jona

17-juin-2026

ho avy izao ny voka-panadinana CEPE ho an'ny ZAP Alasora. Hanomboka anio Alarobia 17 Jona ny fitsarana haharitra 2 andro. Mandefa ny transcription any amin'ny CEG Ankadikely Ilafy ny tompon'andraikitra ny andron'ny Zoma ho avy izao ary hivoaka avy hatrany ny vokatra aorian'ny fikarakarana rehetra. Nivoitra izany omaly nandritra ny fanazavana nentin-dRakotomandimby Ferdinand, lehiben'ny foibem-panadinana ao amin'ny ZAP Alasora. Nilamina ny fizotry ny fanadinana tamin'ny ankapobeny. Mpiadina miisa 10 tamin'ireo 1.741 voasoratra anarana no tsy tonga. Mpiadina iray monja no nanary ny taratasy fiantsoana na ny convocation. Nasaina nitondra fanamarinam-ponenana fotsiny moa ity farany sy ny Ray aman-dReniny hoy hatrany ity lehiben'ny foibem-panadinana ao amin'ny ZAP Alasora ity dia nitohy nilamina ny fanadinana . 8 taona no zandriny. indrindra tamin'ireo mpiadina raha 16 taona no zokiny indrindra. Nihena moa ireo mpiadina tsy tonga tamin'ity taona ity 2006 ity raha oharina tamin'ny taon-dasa.
Pati
Légende : Rakotomandimby Ferdinand, lehiben'ny foibem-panadinana ao amin'ny ZAP Alasora !


 

Dans la même rubrique

17-juin-2026

mponina ireo sekolim-panjakana

Card image cap
17-juin-2026

Nizara sakafo ho an'ireo mpianatra niatrika

Card image cap
16-juin-2026

Tontosa omaly ny fanolorana

Card image cap