Mpianatra Malagasy miisa 81 voafantina hahazo vatsim-pianarana makany Maroc, ho an’ny taom-pianarana 2026-2027. noraisin’ny Minisitra Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy tetsy amin'ny Minisitera etsy Fiadanana izy ireo ny 09 Oktobra 2026. Nitsodrano sy nirary soa azy ireo ny Minisitra, hahavita soa aman-tsara ny lalam-piofanana nosafidiny.
Nasian'ny Minisitra tsindrimpeo ihany koa ny maha zava-dehibe ny fiverenana an-tanindrazana rehefa vita ny fianarana, mba hampiasana ny fahalalana sy ny fahaiza-manao azo ho anisan’ny anjara biriky amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Natolotra ireo mpianatra ny taratasy fanamarinana ny fahazoan’izy ireo ny vatsim-pianarana. Nisy ihany koa ny fifampizarana traikefa sy torolalana avy amin’ireo mpianatra zokiny efa nianatra tany Maroc hanampy sy hampahery ireo mpianatra vaovao amin’ny fiainana any an-toerana sy ny fomba fiatrehana ny fianarana.
Nangonin'i Jean D.