airtel

Fampianarana

05-oct-2022

Fampianarana

Vatsim-pianarana any ivelany tsy voaloa Tsy raharahian’ny Minisitera, miantso vonjy ny UMABEX

Sample post image

Mitohy ny antso avo sy fitarainana ho an’ireo mpianatra Malagasy nahazo vatsim-pianarana nakany ivelany, izay toa lasibatry ny tsy firaharahiana ankehitriny.

05-oct-2022

Nandefa taratasy miantefa any amin’ny Filoha Rajoelina sy ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa mantsy ny Vondron’ireo Malagasy nahazo vatsim-pianarana any ivelany na ny UMABEX (Union des Malagasy Boursiers Extérieurs) tamin’ny alalan’ny filohany Ramazana Bezandry Luciano Chan, fa efa herintaona mahery izao no niandrasan’izyireo ny “allocation financière” na ny “bourse d’Etat” ho an’ny taom-pianarana 2020-2021 mitentina 250 dolara isan-taona, izay tokony horaisina isan-taona amin’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony. Milaza ireo mpianatra fa nampanantenain’io Minisitera io fa ny volana jolay teo no hisitrahana izany, ka niandry am-pahendrena na teo azan y fahatazarana aman-taonany, kinanjo mbola nanatena poakaty indray. Rehefa nisy indray ny fifampiresahana tamin’io Minisitera io volana maromaro lasa izay dia novaliana indray fa any amin’ny Primatiora, ka nomena roa herinandro iandrasana ireo mpianatra, saingy dila ny fotoana tsy nisy tohiny. Vao tsy ela, niova ny Tale ara-bola na DAAF an’ny Minisitera ka tsy hananan’izy ireo fifandraisana hatreto. “Ny vaovao farany azonay dia amin’ny 12 oktobra izao no mifanarana sy mikatona ny “engagement” ao amin’ny minisitera koa raha tsy mivoaka alohan’izay dia mety tsy ho azonay intsony io vatsim-pianaranay io”, hoy ny UMABEX. Tsy hanaovana fialam-boly io vola io Tompoko, fa hivelomanay (sakafo, hofan-trano, fahasalamana, fianarana,…), ary tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny “billet de rapatriement) ho an’ireo izay efa nahavita fianarana izay maro no nangataka fa tsy misy valiny, hoy ny fanamarihana. Maro ihany koa no voalaza fa tsy misy taratasy ahafahana mijanona amin’ny firenena misy azy intsony, ka miafina lalandava. Maroc, Algérie, Tunisie, Egypte, Indonésie, Chine, Russie, Cuba no isan’ny firenena ahitana Malagasy ianjadian’izao olana izao.
Toky R
 

Dans la même rubrique