Tanora Malagasy telo mianadahy no misitraka vatsim-pianarana avy amin'ny JICA, amin'ny alalan'ny fandaharan'asa ABE Initiative (African Business Education Initiative for Youth) sy ny Agri-Net. Handeha hanohy ny fianarany any amin'ny oniversite malaza any Japon izy ireo dia i Andrianantenainana Sandratatra Tiavina, Oniversiten'i Kyoto (Doctorat – Agri-Net / Fikarohana momba ny Fambolena ho an'ny Fiarovana ny Sakafo) ; Razafiarison Andriniaina Bryan Cyril, Oniversite Iraisam-pirenen'i Japon (Master – ABE Initiative) ary Rasoanoavy Aina Fehizoro, Oniversiten'i Hiroshima (Master – ABE Initiative). Noraisin'ny Masoivoho Tojima Hitoshi tao amin'ny trano fonenany izy telo mianadahy ireo ny 8 Septambra teo. Nandritra io fotoana io, dia samy nizara ny antony manosika azy, ny zavatra antenainy, ary ny tetikasany avy izy ireo. Ny tena nahavariana anay hoy ny masoivohon'i Japon dia ny fahitana mazava tsara ny tanjon'izy ireo : tsy handeha fotsiny mba hahazo diplaoma fa handeha mba hahazoana ireo fitaovana, fomba fiasa, ary tambajotra ilaina mba hanompoana tsara kokoa an'i Madagasikara rehefa miverina. Nampirisika sy nitsodrano an'i Bryan, Fehizoro, ary Tiavina tamin'ny teny feno Fitiavana ny Masoivoho : "Mandehana, mianara, mikaroha, ary miverena miaraka amin'ny nofinofy lehibe kokoa". Enimpolo taona mahery izao ny fiaraha-miasa Malagasy - Japoney. Ny fisian'ny vatsim-pianarana toy izao dia maneho ny fifandraisana velona eo amin'ny firenena roa tonta ; fifandraisana mifototra amin'ny fifampitokisana, fanajana ny samy izy, ary vina iombonana ho an'ny hoavy.
Jean D.
Bryan, Fehizoro, ary Tiavina noraisin'ny Masoivohon'i Japon, Tojima Hitoshi