airtel

Fampianarana

10-mars-2021

Fampianarana

Vatsim-pianarana mbola tsy nivoaka Nitokona ny mpianatry ny ISTRALMA Alaotra

Sample post image

Nidina an-dalambe ireo mpianatra ao amin'ny Oniversité ISTRALMA (Institut Supérieure de Technologie Régionale d’Alaotra Mangoro) omaly.

10-mars-2021

 

 Anton’io ny faharenesan’izy ireo, fa efa nisitraka ny vatsim-pianarana efa-bolana sy ny fampitaovana ny ao amin’ny Oniversiten’i Toamasina. Mangataka "campus universitaire" sy ny hanambarana ho iray ity oniversite ity izy ireo satria misy mianatra any amin'ny Kaominina Ambohitsilaozana ary ny sasany ao Andrarabary. Mbola tsy nahazo diplaoma ihany koa ireo izay nangataka izany satria tsy afaka nandray anjara tamin'ireo fifaninanana maro nidirana ho mpiasam-panjakana. Niditra an-tsehatra nisakana ny hetsika nataon’ny mpianatra, izay nidina an-dalambe moa ny mpitandro filaminana. Mbola tsy tena milamina izany ny fitsinjarana ny vatsim-pianarana hatreto noho ny antony maro samihafa. Nanome fe-potoana 72ora ireo mpianatra, ary naneho fa ho avy indray amin’ny angady sy ny harona, vao tsy tonga ao anatin’io ny vatsim-pianarana 4 volana miaraka amin’ny fampitaovana.

Toky R

Dans la même rubrique