Am-polony isan-taona, hoy ny ambasadaoron’i Japon miasa eto Madagasikara, Hitoshi Tojima, ny vatsim-pianarana iantohan’ny governemanta japoney ho an’ireo mpianatra vahiny malagasy. Latsaka kelin’izay 10 izay ireo malagasy tonga ao Japon hianatra ny tekinolojia japoney, injenierie, lalàna japoney na sehatra hafa, hoy izy. Liana amin’izany vatsim-pianarana izany ny ankamaroan’ireo malagasy mianatra teny Japoney toy ny ao amin’ny ivotoerana Makoto Ampandrana sy ny Oniversiten’Antananarivo. Isan’ny manamafy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa maharitra eo amin’ny Japon sy Madagasikara izany rehetra izany, hoy hatrany ity masoivoho ity.
J. Mirija