airtel

Fampianarana

18-janv-2024

Vatsim-pianarana tsy voaloan’ny fanjakana

Velon-taraina ireo mpianatra Malagasy tavela any Rosia

Sample post image

Mitaraina manoloana ny zavatra iainany efa ho 4 taona

18-janv-2024

izao ireo mpianatra nahazo vatsim-pianarana amin'ny CONABEX izay mandranto fianarana ao Rosia. Araka ny fanazavan’ireo mpianatra dia efa nanomboka ny tamin’ny taom-pianarana 2021-2022 sy 2022-2023 izy ireo no tsy naharay vatsim-pianarana. Raha ny tatitra azon’izy ireo mantsy dia noesorina tao anatin’ny tetibolam-panjakana mihitsy ny vatsim-pianarana izay sitrahan’izy ireo isan-taona. Misy amin’ireo mpianatra efa nahavita fianarana ny volana jona 2023, efa lany visa no maniry ny hody aty an-tanindrazana saingy mbola tsy nisitraka ny « billet de rapatriement » avy amin’ny fanjakana ka tavela any kanefa efa tsy afaka mipetraka amin’ny trano natokana ho an’ny mpianatra intsony ka tsy maintsy miala vola am-paosy. Araka ny nifanarahana ao anatin’ny taratasy nosiniavina mialohan’ny nandehanana nianatra tany anefa dia ny fanjakana no miantoka ny “billet”-ny ankizy izay efa nahavita fianarana. Efa nisy moa ny fandefasan’ireo mpianatra any Rosia ireo Ray aman-dreniny teny amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony kanefa hatramin’izao dia mbola tsy nahazo valiny mahafa-po izy ireo. Tsy mbola nitondra fanazavana manokana mikasika ny tena zava-misy ihany koa ireo tompona’andraikitra misahana azy ireo. Miantefa any amin’ny tompon’andraikitra ambony noho izany ny fitarainan’ireo mpianatra ny mba hijerena vaha-olana faran’izay haingana. Tsara ho marihana fa 250 dolara isan-taona io vatsim-pianarana io izay tsy hoe vola be fa mahavita izay vitany kosa anefa amin’ny fiainana andavanandro.. Tsara raha mahita vahaolana mahomby momba ity vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra Malagasy any ivelany ity ny fanjakana hoy ireozanaka Malagasy mianatra any Rosia ireto fa tena mampalahelo izao tranga izao. Nanao antso avo amin’ny fanjakana izy ireo manao hoe : « aza atao ankilabao ny fianarana sy ny ho avin’ny mpianatra Malagasy ».
Lalaina Rav
 

Dans la même rubrique