airtel

Fampianarana

18-mai-2026

Velon-taraina ireo

mpianatry ny oniversitem-panjakàna

Sample post image

Vatsim-pianarana efa kely,

18-mai-2026

mbola asarotina hatrany hatrany ny fakàna azy»
Mampijaly! Izay no azo amehezana ny fangatahana fahazoana vatsim-pianaran’ny mpianatra eny amin’ny oniversitem-panjakàna amin’izao fotoana izao. Vatsim-pianarana efa kely, mbola asarotina hatrany hatrany ihany koa ny fakàna azy, hoy ny alahelon’ireo mpianatra. Efa nanahirana dia nanahirana ny filaharam-be maraina mandram-parainan’ny andro nakana izany teo aloha fa amin’izao fotoana izao dia tena vao mainka mampijaly izany manomboka amin’ny fangatahana azy amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra toy ny fampiasàna finday na solosaina. Efa arahinao ny dingana rehetra tokony arahina amin’ny torolalana ary raha sanatria misy adino kely fotsiny amin’izay voasoratra, tranga izay nahazo ny ankamaroan’ireo nanao fangatahana io na dia mpianatra mpikaroka namiratra tamin’ny fanadinana sy fifindràna ambaratonga izao aza, dia manasa hanintsy izany ny masinina mandinika ny dosie na «répondeur automatique», izay tsy azo hanontaniana koa amin’io hoe inona ilay tokony ahintsy? Rehefa mamerina manintsy izany indray avy eo ilay mpianatra nefa dia lazain’ilay masinina fa tsy azo ahintsy intsony indray ilay nasainy nahintsy teo. Ny fahana na «connexion» koa lany vetivety satria tena mitroka fahana be ilay dingana. Tsy fahafehezan’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa na ny fiadidiana ny oniversite ny tekinolojia sy ilay rafitra LMD mihitsy ve no antony sa dia filàm-baniny fotsiny izao? Ny oniversite sa ny minisitera sa ny tahirim-bolam-panjakana, izany hoe, ny «Trésor publique», sa ny fitondràna foibe mihitsy koa no mila vaniny ve sa inona no tena anton’ity fanasarotana ity? Tsiahivina fa mitentina 66.000 Ariary teo ny fampitaovana na «équipement» noraisin’ny mpianatra farany. Raisina in-dray mandeha monja io. 24.000 Ariary kosa ny vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra taona voalohany na L1. Raha atao hoe nasian’ny fitondràna ankehitriny fisondrotana 20% izany izy tamin’ity taona ity dia tafakana eo amin’ny 28.800 Ariary eo izany izay vatsim-pianarana izay. Hahavita inona loatra amin’ity vidim-piainana midangana isan’andro loatra moa izany fa dia isaorana fa izay aloha no misy, hoy ireo mpianatra, kanefa dia izao ampifilaina izao indray? Andrasana, araka izany, ny fanazavàna avy amin’ireo tena tomponandraikitra amin’izy ity, fa indrindra ny vahaolana fa tena mijaly izahay, hoy hatrany ireo mpianatra. Nomarihin’izy ireo ihany koa fa ny 17 may teo no fetra farany ahafahana manao izay fangatahana fahazoana vatsim-pianarana izay, raha ny fitairainana mbola voaray hatramin’ny omaly ihany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique