Misy vao 2 taona mantsy ny an'ny sasany dia efa goaka sy harafesina nefa mbola tena lafo dia lafo ihany koa ny vidiny. Efa vidiana 50.000 Ar ny mora indrindra amin'ny raviny iray amin'izao eny an-tsena eny nefa mbola tena manify ihany koa. Niainga avy amin'izany no nanosika ireo mianatra eo anivon'ny sekoly ambony ISPM eny Antsobolo taona voalohany hanao fikarohana mifandraika amin'izany. Amin'ny alalan'ny caoutchou no fanamboarany io tafon-trano vaovao io izay maharitra 50 taona ary mahazaka hafanana hatramin'ny 600°C. Nambaran-dRandrianarivelo Mathieu anisan'ireo mpianatra nanao ny fikarohana fa natao izao mba hanamaivanana ireo mpanao trano indrindra amin'izao fidangan'ny vidin'ny kojakoja ilaina amin'ny fanamboaran-trano izao vokatry ny fiakaran'ny vidim-piainana. Eny amin'ny Ispm Antsobolo ihany izy ireo no mampiranty sy mampahafantatra izany, varavarana misokatra nifarana omaly rehefa maharitra 4 andro. Trano efa manodidina ny 170 isa no mandray anjara amin'izany izay an'ireo mpianatra ao amin'ny taona voalohany avokoa. Ankoatra io voalaza io dia misy ihany koa ireo nanamboatra moto électronique, ny Sambo mandeha tsy misy mpamily eny ambony rano... Nambaran-dRazafindrahety Aimée tompon'andraikitra ara-bola eo anivon'ity sekoly ambony iray ity fa tena samy hafa mihitsy ny mpianatra vao afaka baka sy ireo efa manaraka fiofanana eny amin'ny sekoly ambony. Vao10 volana monja mantsy dia efa mahita vokatra sahady ny mpianatra iray. Miantso ireo tanora mpianatra mba hiezaka fa tsy ho variana fotsiny araka izany ity tompony andradite Ity. Ny fiakaran'ny mantsy ny lova tsara indrindra hoy hatrany izy.
Pati
Légende : Ireo izy 5 mianadahy nanao ny fikarohana