hoy ny vondrona Vonjeo ny fampianarana!, nanao fanambaràna tetsy Isoraka omaly. Mijoro ho arofanina izahay, hoy izy ireo, ary mitondra vahaolana ho an’ny fampianarana manerana ny nosy. Mangataka am-panajàna ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena izahay. Aiza tompoko ny valin’ilay andrana natao efa ho 4 taona izao mikasika ny praogramam-pampianarana vaovao izay natao teo anivon’ny CISCO miisa 18? Praogramam-pampianarana miisa 2 no ampiharina eto amin’ny firenena. Tokana nefa ny fanadinam-panjakàna. Sahirana ny ray aman-dreny, ny mpampianatra, ny mpianatra. Amin’izao akatoky ny fanadinam-panjakàna izao dia mitady paikady matotra mikasika ny fikarakaràna sy ny fiarovana ny laza adina izahay! Mikasika ny LOSEM dia hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena hoe tapitra hatreto ny PSE na «Plan sectoriel de l’éducation» fa LOSEM na «Loi d’orientation du système éducatif à Madagascar» amin’izay no ampiharina nefa solombavambahoaka miisa 13 anatin’ny 163 no nandany io lalàna io. Rariny ve izany? Tena nojerena tokoa ve fa sahaza ny malagasy io lalàna io? Andininy miisa 20 no mbola miandry fitsipika mifehy na «voix règlementaire». Tsy mazava ny fomba hanatanterahana azy. Efa misy fampiofanana mandeha nefa momba an’io ho an’ny mpampianatra sasantsasany ka misy zanak’Ikalahafa ve eto amin’ity firenena ity? Andininy maro no manondro zavatra tsy lojika, tsy mazava ary tsy mitombina. Ohatra amin’izany ny andininy faha 119, 123, 130 sy ny maro hafa. Mety hiteraka olana eo amin’ny fampiharana ireo zavatra tsy mazava ireo any amin’ny fametrahana didy fampiharana. Tena gaboraraka, petatoko, kitoatoa ity fitantanana ity nefa antoky ny fampandrosoana an’i Madagasikara izany. Tokony asiana fanovàna avy any ifotony mihitsy ny fampianarana sy fanabeazana eto Madagasikara. Izay no mahatonga anay miteny hoe midira ao amin’ny tranokalam-pifandraisana www.fampianaranamendrika.mg hametrahanareo izay mety ho tsara amin’ny fanavaozana ny fampianarana sy fanabeazana eto Madagasikara, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
Mpampianatra teny anglisy maherin’ny 100 no nandray anjara tamin’ny fiofanana iraisam-pirenena
Nasiam-panavaozana ny efitranon- tsekoly maromaro ao anatin’ireo sekoly ambaratonga