airtel

Fandriampahalemana

09-mars-2021

Fandriampahalemana

67 Ha Avaratra Andrefana Voatsindron’antsy sady voaendaka ilay mpitondra moto

Sample post image

Tovolahy iray 25 taona no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria CSP7 67Ha ny Alahady teo tokony ho tamin’ny 10 ora alina.

09-mars-2021

 

 

 

 Nanendaka sy nanao herisetra tamina lehilahy iray nandeha moto nandalo manoloana ny Preference 67ha iny, izay misy lalan-dratsy ity tovolahy ity sy ny namany 2 . Nijanona avy hatrany teo anoloan’ilay moto izy ireo ary nanakana. Ny iray nanatona ary nanambana antsy no sady nanatsatoka izany tamin’ny tanan’ilay mpitondra moto. Lavo moa ity farany no sady nisy naratra ny sandrin-tanany izay voatsatoka ny antsy. Niezaka nanavotra aina izy ka tafatsaoka ihany. Lasan’ireo mpanendaka kosa ny kitapo izay feno ny antontan-taratasy mahakasika ilay niharam-boina miaraka amin’ny finday marika itel sy kojakoja samihafa mitentim-bidy 750.000Ariary. Nahatsikaritra izany zava-nitranga izany ny manodidina ka niantso polisy avy hatrany. Raha vao nahita izany moa ireo mpanao ratsy dia lasa nitsaoka nihazo ny elakelan-trano. Raikitra ny fifanenjahana ka tratra tsy lavitra teo ny tovolahy iray izay anisan’ny nandray anjara tamin’ny fanakanana ilay moto sy ilay asa fanendahana. Efa maro no lasibatr’ ireto jiolahy telo mpanendaka ireto raha araka ny fantatra.

Pati

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Jiolahy miisa 04 no indray voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny CSP4

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy 19 taona no saron'ny zandary avy ao amin'ny borigadin’i Talatamaty

Card image cap
28-mars-2024

Nisy kodiaran-droa ana orinasa iray nisy nangalatra teny Atsimondrano afak’omaly 26 Martsa.

Card image cap
28-mars-2024

Nidina ifotony teny anivon'ireo Fokontany miisa telo eto an-drenivohitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Tra-tehaka teo am-piandrasana fiara ny rongony 15 gony

Card image cap
27-mars-2024

Lavo voatifitry ny dahalo teo am-pamitana ny asany ny zandary kilasy faharoa Ramilave,

Card image cap