airtel

Fandriampahalemana

06-avril-2022

Fandriampahalemana

67 ha Vehivavy iray tratra nangalatra finday

Sample post image

Vehivavy iray manodidina ny 40 taona eo ho eo no no tratra ngalatra finday tamina botika iray tetsy 67ha (akaikin’ny Mada Hotel) omaly.

06-avril-2022

 Mody rebirebeny ilay mpivarotra raha araka ny fantatra ka raha vao variana kely dia efa any am-paosiny ny finday. Raha araka ny fantatra hatrany dia efa betsaka ireo botika lasibatra. Mbola nahatrarana finday 2 vao avy nangalariny moa tany amin’ity Ramatoa iray ity omaly. Ankoatra izay dia tovovavy iray vao 16 taona ihany koa no nivazavazana mpivarotra kapa tetsy amin’ny pavillon Analakely omaly. Raha araka ny fantatra dia mody nanontany kapa ihany koa ity tovovavy ity nefa efa manomana harona handatsahana ireo mipetraka amin’ny sisin-databatra. Mila mailo sy mitandrina amin’izao fa tena be loatra ireo mpanao ratsy.
Pati
Legende : Ity ilay Ramatoa tratra nangalatra finday
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Namoahan’ny mpitandro ny filaminana didy fampisamborana Rakotoarisoa Mamifetra Joseph,

Card image cap