Mirongatra sy mahazo vahana indray ny famonoan'ny lehilahy ny vady andefimandriny tato ho ato Ho an'ilay tranga tao Tanimbaribe Andranomamy, Fokontany Androrona, Distrikan’i Vohémar omaly Alakamisy 17 septambra dia nisy mpivady iray tena nifamaly mafy tao an-tanana. Araka ny vaovao voaray dia efa nisy olana teo amin’izy ireo afak'omaly Alarobia 16 Septambra, saingy voalaza fa nilamina ihany taorian’ny fanelanelanana nataon'ny mpiara-monina. Omaly maraina kosa anefa dia hita tao an-tranony ny vatana mangatsiakan'izy mivady, samy efa tsy nisy fofon'aina intsony.Nisy ny fidinana ifotony nataon’ireo tompon’andraikitra ara-pahasalamana notarihin’ny Médecin-Inspecteur any an-toerana niaraka tamin’ny Zandarimaria sy ny lehiben’ny Fokontany, ary ny mpiara-monina. Araka ny vaovao azo dia voalaza fa namono nahafaty ny vadiny ilay Rangahy talohan’ny namoizany ny ainy ihany koa. Tombanana samy alevina anio Zoma ny razana. Tsy mbola fantatra kosa ny hevitr'ireo fianakaviana na hiara-halevina amina fasana iray izy ireo na samy hody any amin'ny niaviany avy.
Nangonin'i Pati
Légende : Niara-maty tahaka izao izy mivady !
Ravan'ny Polisim-pirenena, olona 9 voasambotra tany Tolagnaro