rehefa niditra tao anaty vondrona mian-dahy miam-bavy tia herisetra sy adiady. Raha ny loharanom-baovao azo dia teo anoloan’ny lapan’ny tananan’i Toamasina izy ireo no niadiady nanomboka tamin’ny 08 ora alina. Raikitra ny fifanenjehana nandritra izany ka nihafara tamin’ny fifanindromana antsy teo anoloan’ny kianjan’ny fahaleovantena . Nandritra izany no nahavoa ity zazalahy kely iray monina ao Tanamborozano parcelle 22/22 ity. Voa teo amin’ny tratrany moa ilay zaza ary mbola afaka nilaza fa tadidiny avokoa ireo namany sy ny ekipa niady taminy. Nitohy tamin’ny fisamborana ireo andian-jatovo ireo ny mpitandro ny filaminana hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Mbola tsaboina ao amin’ny hopitaliben’i Toamasina kosa ilay zazalahy kely. Mbola taonan’ny miala sakana avokoa moa ireo andiana zatovolahy sy zatovovavy ireo.
Pati
Legende : Nifandrombahana tato amin’ny efitrano fameloman’aina tahaka izao ilay zazalahy kely !
Basy vita gasy iray niampy bala miisa 4 calibre 12, no sarona tao anaty kitapo natsipina lehilahy miisa 3 nitsoaka
Nahatrarana rongony 375 fototra sy raviny efa maina afak’omaly Alarobia 05 Febroary tamin’ny 08 ora
Velon-taraina ny mponina eny amin’ny fokontanin’Ambatobe manoloana ny vaky trano na hala-boty