manokana miady amin’ny asan-dahalo andiany faha-38 (USAD XXXVIII). Toy ny fanao amin’ireo andiany rehetra mamonjy fiofanana ao amin’ny FIGN, natomboka tamin’ny fandehanana an-tongotra izany, tamin’ny alalan’ny làlana mampitohy an’Ambatofotsy sy Ambatolampy, toerana hanohizana ny fiofanana. Ity fiofanana ity dia anisan’ny dingana lehibe iatrehan’ireo kandida ho lasa mpikambana maharitra ao amin’ny USAD, vondrona manokana ao amin’ny Zandarimaria izay miatrika manokana ny ady amin’ny asan-dahalo sy ny fandriampahalemana any ambanivohitra. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-piofanana ny fahaiza-manao ara-tafika, ny paikady amin’ny fiatrehana zava-tsarotra eny ifotony, ary ny fanomanana ara-batana sy ara-tsaina, izay ilaina amin’ny fanatanterahana ny asa. Manaraka fepetra hentitra sy fitsapana maro samihafa ny fiofanana, ary hisy ny fanavahana amin’ny alalan’ny fanadinana farany, izay hahafahana misafidy ireo tena mendrika handrafitra amin’ny fomba ofisialy ny andiany faha-38 amin’ny USAD.
Asmynah Randriamananjara (mpiana-draharaha)
Tsy mety fay mihitsy ireo jiolahy vao nivoaka ny fonja eto amintsika fa manohy ny asa ratsiny hatrany.
Mampikolay ny maro ny hataon’ireo mpanendaka eny Ambodiampanga Itaosy,
Tsy mitsaha-mivoatra ny teti-dratsin'ireo mpanondrana harena an-kibon'ny tany an-tsokotsoko.
Tratra ireo lehilahy miisa 7 mpanao trafikana voamaso tany amin’ny distrikan’Ihosy.