airtel

Fandriampahalemana

03-août-2021

Fandriampahalemana

Ady amin’ny asan-jiolahy any Toamasina Mihetsika mafy ny mpitandro filaminana

Sample post image

Lehilahy 2 voatondro fa jiolahy no lavon'ny balan'ny FIP Toamasina omaly tokony tamin'ny 3 ora maraina, tao amin’ny Dépôt Analankininina.Vehivavy 2 sy lehilahy 4 hafa ahiana ho mpiray

03-août-2021

 tsikombakomba amin'izy ireo ihany koa no azo sambom-belona raha araka ny loharanom-baovao hafa azo.Nisy poleta iray vita frantsay miampy bala nampiasain'ireo voalaza ho andian-jiolahy ireo no nogiazana, raha toraka izany koa ny moto miisa 2. 5 amin'izy ireo hatreto no fantatra fa izao maty voatifitra tato anatin’ny 10 andro, rehefa nifanandrina tamin'ny polisy.Raha ny fantatra hatrany moa dia mpanafika cash point ity fikambanan'olon-dratsy noravaravan’ny FIP ity.Raim-pianakaviana 2 kosa raha tsiahivina efa namoy ny ainy sy lasibatra vokatry ny tifitra nataon’ireto jiolahy ireto. Vola mitentina 20 tapitrisa Ar no lasan’ireo tsy mataho-tody nandritra izany.
Nangonin’i Pati

 

Dans la même rubrique