ankehitriny intsony ny lalàna manan-kery
Olana lehibe sy mampanahy ny famarinana olona, na eo amin’ny sehatra nasionaly na iraisam-pirenena. Heloka bevava izay manitsakitsaka ny hasina sy ny zo mahaolona izy io, ary manohintohina mivantana ny zo fototry ny tsirairay. Efa nisy an-taonany maro ny lalàna natao hiadiana amin’izany, saingy hita fa mivoatra ny endrika isehoan’ny famarinana olona, ka manasarotra ny fomba entina miady aminy. Tsy mahavaly ny zava-misy ankehitriny intsony ny lalàna manan-kery, noho ny fahavitsian’ny fanenjehana sy ny fanasaziana ireo mpanao heloka, ny fahamaivan’ny sazy mihatra amin’izy ireo, ary ny tsy fahampian’ny fiarovana omena ireo olona niharan’izany, araka ny fanazavana nataon'ny Minisitry ny Fitsarana Fanirisoa Ernaivo nanoloana ny solombavambahoaka teny Tsimbazaza tamin'ny fotoana nandrosoana ny volavolan-dalàna laharana faha-022/2025 tamin’ny 08 desambra 2025, mahakasika ny ady amin’ny famarinana olona hidinihina sy holaniana, mba hampifanarahana azy amin’ny zava-misy ankehitriny sy ny fivoaran’ity heloka bevava ity. Ny tanjon’ity volavolan-dalàna ity dia ny hanamafy ny ady amin’ny famarinana olona amin’ny alalan’ny fanatsarana ny fisorohana, ny fanenjehana sy ny fanasaziana ireo mpanao heloka, ary ny fiarovana sy ny fanampiana ireo olona niharam-boina.
FENITRA IRAISAM-PIRENENA
Nolanian’ireo solombavambahoaka tamin’ny endriny nasiam-panitsiana sy nasiam-panovana, ny alatsinainy 16 novambra 2026, io volavolan-dalàna io. Nohamafisina fa ilaina ny famaritana mazava ny atao hoe : famarinana olona, mba hahafantaran’ny olom-pirenena ny endrika isehoan’izany heloka izany, hahafahany misoroka azy ary hiarovana ireo mety ho lasibatra. Nampiakarina ihany koa ny sazy mihatra amin’ny mpanao heloka. Nandritra ny fanazavana dia nasongadin’ny Minisitry ny Fitsarana ihany koa ny maha zava-dehibe ny fampifanarahana ny lalàna malagasy amin’ireo fenitra iraisam-pirenena, indrindra ny "Protocole de Palerme", natao hisorohana, hanenjehana ary hanasaziana ny famarinana olona, indrindra ny vehivavy sy ny ankizy. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fampiharana ireo tolo-kevitra avy amin’ireo rafitry ny Firenena Mikambana sy ny Filan-kevitry ny Firenena Mikambana momba ny Zon’olombelona. Napetraka anatin’ity Volavolan-dalàna ity ny andraikitry ny Birao Nasionaly miady amin’ny famarinana olona (Bureau National de Lutte contre la Traite des Êtres Humains), mba hanatsarana ny fandrindrana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo rafitra samihafa, ny fanangonana sy ny fitantanana ireo antontanisa ary ny vaovao nasionaly mahakasika izany.
Nangonin'i Jean D.
Nandritra ny fandanian'ireo solombavambahoaka ny volavolan-dalàna iadiana amin'ny famarinana olona