Fiara tsy mataho-dalana iray mitondra laharana 9…7 TBA ary misy “Concarde” manamboninahitra Jeneraly kintana telo no sarona niaraka tamin’ny zava-mahadomelina tao amin’ny fokontany Mananovy, kaominina Bekorobo, Distrikan’i Betroka, ny alahady teo. Rongony mahatratra 21 gony be izao no tratra nentin’ilay fiara. Nikasa hiazo ny lalam-pirenena faha-13 (RN13), saingy voasakan’ny zandary eo anivon’ny vondrotobim-paritra Betroka, izay efa nahazo loharanom-baovao mialoha. Nandritra ny fisavana no nahitana an’ireo rongony ireo tao anatin’ilay fiara, voalaza fa nokasaina ho entina aty Antananarivo. Olona 3 no niaraka tamin’ilay fiara ka miaramila kaporaly ny anankiray ary sivily nitonona ho mpitandro ny filaminana sy ilay mpamily, hoy ny fampitam-baovao. Voalaza fa notazomina natao andrimaso ny mpamily ny fiara. Ilay miaramila sy ilay nilaza ho mpitandro filaminana kosa tafaporitsaka. Niala teto Antananarivo tamin'ny Zoma ity fiara ity ary naka ireo rongony ireo tao Bemelo kaominina Ianabinda, Distrikan’i Betroka, nikasa hihazo an'i Bekily ary manakatra an'ny “RN10” sy “RN7” izao tratran’ny Zandarimaria nasionaly izao, hoy hatrany ny tatitra. Tena fiarana manamboninahitra izany ity nampiasaina ity sa hosoka? Midika ve fa misy be galona ao ambadiky ny fanapariahana zava-mahadomelina ? Andrasana ny fanampim-baovao ofisialy…
Toky R
Vita fitsirihana sy azon’ny fianankaviana nalaina ny razana