airtel

Fandriampahalemana

24-août-2022

Fandriampahalemana

Alakamisy Ambohidratrimo Tovolahy iray tratra nivarotra héroïne

Sample post image

Tovolahy iray no tratra nivarotra héroïne teny Alakamisy Ambohidratrimo ny 22 aogositra teo tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro.

24-août-2022

Fantatry ny Polisy miasa ao amin’ny STUP fa misy tovolahy iray mivarotra rongony mahery vaika eo amin’ny tobim-piantsonana Alakamisy Ambohidratrimo akaikin’ny toeram-pivarotan-tsolika Total. Nanao ny vela-pandrika rehetra ny Polisy ka tra-tehaka teo ity tovolahy ity izay vao 33 taona monja. Nandritra ny fisavana azy no nahatrarana “heroïne” 08 fonosana teny aminy. Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny polisy ity farany nanaovana fanadihadiana. Fantatra ary fa 3 volana izay no nivarotany ity zava-mahadomelina mahery vaika ity ary efa misy olona mpanatitra azy mankany aminy. 25 isa no alainy isan’andro ary amin’ny 02 ora folakandro dia efa lafony avokoa izany. Mitsindrona izany zava-mahadomelina izany koa ny lehilahy. Natolotra ny fampanoavana omaly ny anaolahy ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay tovolahy
 

Dans la même rubrique

15-avril-2024

Voasambotry ny Polisy miasa ao amin ' ny kaomisaria CSP Itaosy

Card image cap