airtel

Fandriampahalemana

11-janv-2022

Fandriampahalemana

Alarobia Mpitsabo iray maty voatsatok’antsy

Sample post image

Maty notsatohan'ny olon-dratsy tamin'ny antsy tao amin'ny toeram-pidiovana na "douche" i Dr Ramasimbohitra Lalaharivony, mpiasa am-perin'asa teo anivon'ny Service de la Nutrition Tsaralalana,

11-janv-2022

 vadin'ny Médecin inspecteur Anosy Avaratra. Omaly tokony ho tamin'ny 03 ora maraina no nisy nanafika, ka tsy tana ny ain'ity mpitsabo 53 taona ity noho izany ratra izany. Tsy hay na hangalatra na tena hamono no tanjona? Ny tantara dia fianakaviana 2 no tao Alarobia toerana nisehoan'ny fanafihana no nanao fety kely fa sitranag. Io trano ao Alarobia io dia tranom-pianakaviana avy amin'ny Médecin inspecteur vadin'io Dokotera maty io, fa any Anosy Avaratra no tena tranony. Nisy olona iray tafiditra tao an-trano, nanao ny asa ratsy, nikiakiaka ilay dokotera, namonjy azy ny vadiny sy ny zaodahin'ny vadiny, raikitra ny ady ka naratra izy 2 lahy namonjy, fa tratra ilay namono, nanao fandrahonana ilay tratra hoe maty ianareo raha mivoaka eo fa misy 11 lahy ao ivelany miandry. Niantso polisy dia natolotra ny polisy ilay tratra, ary mandeha ny fikarohana. Tsy tana kosa ny ain'ilay mpitsabo izay lasibatra voalohany. Vitsy ny dokotera nefa mbola vonoina amin'ny fomba feno habibiana. Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana mana-manjo isika eto amin'ny Tia Tanindrazana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Namoahan’ny mpitandro ny filaminana didy fampisamborana Rakotoarisoa Mamifetra Joseph,

Card image cap