airtel

Fandriampahalemana

19-déc-2022

Fandriampahalemana

ALASORA Mirongatra ny halatra varavaramby

Sample post image

Lehilahy iray 24 taona no tra-tehaky ny Polisy miasa ao amin'ny Kaomisarian’ Alasora omaly alahady 18 desambra teo rehefa avy nangalatra varavaramby.

19-déc-2022

Efa maro ireo olona velon-taraina fa very varavaram-by eny amin'iny Alasora sy ny manodidina iny. Ny alin'ny 17 desambra no fantatra fa nisy nangalatra ny varavaramby an'olona mipetraka eny amin'ny manodidina ny tetezan'ny TV Plus iny. Tra-tehak'ireo Polisy nanao fanamiana sivily nanao fisafoana teny Ankadindratombo araka izany ity lehilahy ity nitondra varavaramby maromaro izany fantatra fa vao avy nangalariny. Rehefa noentina natao famotorana teny amin'ny biraon'ny Polisy izy dia fantatra fa efa nisy nitory ihany koa ary efa ela no nitadiavan’ny olona azy. Efa fanta-daza amin'ny resaka halatra sy vaky trano ity lehilahy ity ary efa maro ireo olona nitaraina tamin'izany. Notazonina ao amin’ny biraon'ny Polisin’ Alasora moa ity lehilahy ity mialohan'ny hanolorana azy eny amin'ny fitsarana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ilay mpangalatra tratra sy ireo varavaramby avy nangalariny
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Jiolahy miisa 04 no indray voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny CSP4

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy 19 taona no saron'ny zandary avy ao amin'ny borigadin’i Talatamaty

Card image cap
28-mars-2024

Nisy kodiaran-droa ana orinasa iray nisy nangalatra teny Atsimondrano afak’omaly 26 Martsa.

Card image cap
28-mars-2024

Nidina ifotony teny anivon'ireo Fokontany miisa telo eto an-drenivohitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Tra-tehaka teo am-piandrasana fiara ny rongony 15 gony

Card image cap
27-mars-2024

Lavo voatifitry ny dahalo teo am-pamitana ny asany ny zandary kilasy faharoa Ramilave,

Card image cap