Fokontany Andranovory kaominina ambanivohitra Ankilizato. Dahalo miisa 6 raha araka ny vaovao azo no indray niditra an-keriny tao amin’ity tanana ity naka ireo olona ireo tokony ho tamin’ny 01 ora maraina. Hatramin’ny fotoana nanoratanay omaly hariva dia mbola tsy nisy resaka fakam-bola tamin’ny fianakavian’izy 3 mianaka ireto aloha hoy ny vaovao. Ny hany feo mandeha dia nentin’ireo dahalo efa lasa lavitra ny tanana izy ireo ka ahiana ho reraka sy noana mafy. Nomarihin’ny kolonely Ramonjanirina Pierre Emilien, kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena ao Menabe moa fa efa ao anatin’ny ady mafy entina hanavotana azy 3 mianaka ireo izy ireo hatramin’ny omaly alina koa andrasana izay mety ho tohin’ny raharaha. Mifandray tsy tapaka amin’ny fianakavian’izy 3 mianaka ireo ihany koa izy ireo hahazoam-baovao.
Nangonin’i Pati
Tovolahy iray 23 taona no tratra teny Ankadifotsy Befelatanana rehefa namaky fiara sy nangalatra kojakojam-piarakodia.
Tafakatra 18 isa no voasambotra, ady tany no niteraka valifaty ary mponina ao an-toerana ihany no nahavanona ny vono olona feno habibiana tao Ifanadiana,