airtel

Fandriampahalemana

08-sept-2022

Fandriampahalemana

Ambaravarankazo Ambohimanarina Voaambana basy no sady voadaroka ilay mpitondra moto

Sample post image

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tao amin’ny Fokontany Ambaravarankazo Ambohimanarina, Boriborintany fahaenina,

08-sept-2022

afak’omaly talata 06 septambra. Lehilahy iray nitondra moto jog Pro handeha hamonjy fodiana no narahaina jiolahy miisa roa tamin’ny moto iray hafa miloko mena avy ao aoriana ka nosongonany rehefa mangingina ary nosakanany sy nambanany tamin’ny basy. Nasainy nidaboka tamin’ny tany ny tompon’ilay jog pro avy eo ka noentin’izy ireo avy hatrany ilay moto jog pro no sady nanao tifi-danitra izy ireo mba tsy hanarahany azy. Niantso vonjeo tamin’ny manodidina teo ny tompon’ilay moto jog pro noho izany ka nanenjika ireo olon-dratsy ny fokonolona. Vantany vao nahare izany anefa ny polisy miasa eny manodidina dia tonga teny an-toerana ka nisambotra ireo olon-dratsy izay marihina fa tratra tsy lavitra teo. Marihana fa mbola tratra teny amin’izy ireo ny basy nampiasainy marika « Rohm modèle RGS » ary mbola nahatrarana antsy iray ihany koa teny amin’izy ireo. 30 taona sy 23 taona moa ireo jiolahy ireo.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy mpisompatra moto
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Jiolahy miisa 04 no indray voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny CSP4

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy 19 taona no saron'ny zandary avy ao amin'ny borigadin’i Talatamaty

Card image cap
28-mars-2024

Nisy kodiaran-droa ana orinasa iray nisy nangalatra teny Atsimondrano afak’omaly 26 Martsa.

Card image cap
28-mars-2024

Nidina ifotony teny anivon'ireo Fokontany miisa telo eto an-drenivohitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Tra-tehaka teo am-piandrasana fiara ny rongony 15 gony

Card image cap
27-mars-2024

Lavo voatifitry ny dahalo teo am-pamitana ny asany ny zandary kilasy faharoa Ramilave,

Card image cap