airtel

Fandriampahalemana

22-mars-2022

Fandriampahalemana

Ambato boeny Niova endrika ny tsy fandriampahalemana

Sample post image

Niova endrika ny tsy fandriampahalemana ao Ambato boeny satria tsy misy intsony ny omby marobe alain’ny dahalo na famonoana olona mahatsiravina matetika sy fandorana tanana, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Jean Valerien Rakotonandrasana.

22-mars-2022

 Tena mbola misy nefa, hoy izy, ny halatra omby ary io ny omby very ao amin’ny distrikan’Ambato boeny dia miakatra aty amin’ny distrikan’I Maevatanana. Antony ilazanay io hoe raha asiana toby miaramila eo amin’ny mampifandray an’I Betsiboka sy Boeny dia ho foana ny halatra omby. Efa misy kaominina iray vonona hanome 300 ha ahafahan’ny miaramila mitoby sy mamboly ary misy rano azo ivelomana. Omena maimaipoana ny miaramila izany. Efa naterinay any amin’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena ny taratasy momba izany, 2 taona lasa izay. Tsy fantatra moa hoe misy tambazotra ve no mahatonga ilay dahalo tsy mamono olona intsony fa dia maka ireo omby iasana aloha zareo, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Jiolahy miisa 04 no indray voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny CSP4

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy 19 taona no saron'ny zandary avy ao amin'ny borigadin’i Talatamaty

Card image cap
28-mars-2024

Nisy kodiaran-droa ana orinasa iray nisy nangalatra teny Atsimondrano afak’omaly 26 Martsa.

Card image cap
28-mars-2024

Nidina ifotony teny anivon'ireo Fokontany miisa telo eto an-drenivohitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Tra-tehaka teo am-piandrasana fiara ny rongony 15 gony

Card image cap
27-mars-2024

Lavo voatifitry ny dahalo teo am-pamitana ny asany ny zandary kilasy faharoa Ramilave,

Card image cap