airtel

Fandriampahalemana

11-mars-2022

Fandriampahalemana

Ambatofotsy – Tsiroanomandidy Nofiraina tamin’ny antsy ny loha sy ny tanan’izy 3 vavy

Sample post image

Nampivarahontsana ireo fokonolona tao amin’ny fokontany Ambatofotsy –Tsena kaomina ambanivohitra Bemahatazana, distrika Tsiroanomandidy faritra Bongolova ny zava-niseho ny alarobia 09 martsa teo.

11-mars-2022

Telo mianaka izay ho any an-tsaha no nisy namono tamin’ny fomba nahatsiravina izay nandratrana olona tohy ny famonoana biby. Raha ny fahitana ny razana ireo dia nofiraina antsy ny tanana sy ny loha izy telo mirahavavy ary novakiana koa ny betrony. Natsipy tao anatin’ny rano mandeha ny vata mangatsika iray tamin’zy telo mirahavavy ireo. Raha ny loharano-baovao azo avy any an-toerana dia raharaha omby ity niteraka famonoana olona tamin’ny fonba feno habibiana . izay samy fianakaviana iray ihany ireto farany. Tsy lavitra ny tanimboly izay misy azy ireo no nahitana ny razana. Tranga izay tsy mbola fahita tao Tsiroamandidy ity trangana vono olona nahatsiravina ity raha nambaran’ireo mponina. Raikitra ny fikarohana ireo nahavanon-doza ataon’ny polisy sy ny zandary ary miaramila any an-toerana. Efa nanokatra ny fanadihadiana ihany koa ny mpitandro ny filaminana manoloana ny toe-draharaha ka hita eo ny vokatry ny fikarohana marina tamin’ny nahafatesan’ireo telo mirahavavy mianaka ireto tao amin’ny faritra Bongolava distrika Tsiroamandidy.
Tolin
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap
23-avril-2024

Tranga niseho tamiko ny alahady teo izy ty ka tantaraiko eto mba hitandreman’ny rehetra amin'ny manaraka,

Card image cap
23-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray. Nofitahiny ilay vehivavy ary nentiny tany ambanin'ny CEG Soamalaza,

Card image cap
23-avril-2024

Nifanehatra tamin'ireo zandary nanao fisafoana tao Ambohimilemaka kaominina Mahitsy

Card image cap
23-avril-2024

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap