airtel

Fandriampahalemana

26-avril-2021

Fandriampahalemana

Ambatomanoina-Anjozorobe Maty voatifitra ny Talen’ny CEG, very ny 4 tapitrisa Ariary

Sample post image

Nitrangana fanafihana mitam-basy tao Antsahavola Anosikely, Kaominina Ambatomanoina Distrika Anjozorobe Faritra Analamanga

26-avril-2021

 

 

 

 ny zoma 23 aprily 2021, vao maraina be. Lasibatra ny tokantranon-dRafalimanana Jean Charles , Talen’ny CEG ao an-toerana Cisco Anjozorobe . Nanao amboletra niditra tao an-trano ireo jiolahy fito mitam-basy, ary nitaky ny hanomezana azy ireo ny vola. Nanohitra ilay mpampianatra ka norarafan’ireo jiolahy ny tifitra. Naratra mafy izy. Norobain’ireo jiolahy ny vola manodidina ny efatra tapitrisa Ariary eo, dia lasa izy ireo. Nifamonjena nentina namonjy toeram-pitsabona ny naratra saingy tsy tana ny ainy. 43 taona izy izao lavo izao. Efa nisy nanafika tao an-tranony ihany koa ity mpampianatra ity taona vitsy lasa izay. Nirongo basy mahery vaika ireo mpanafika. Tafatsoaka ara-potoana ireo vady aman-janany, ary nanavo-tena nitsambikina avy eny an-davarangana ity ramose ity. Eo am-pelatanan’ny zandary ny raharaha, hikarohana ireo nahavanon-doza sy izay mety ho mpitsikomba amin’izao famonoana ny Talen’ny CEG Ambatomanoina izao.

 Jean D.

Dans la même rubrique