airtel

Fandriampahalemana

01-déc-2022

Fandriampahalemana

Ambatomirahavavy Maty voatifitra ireo jiolahy nandroba 17 tapitrisa Ar

Sample post image

Jiolahy roa no maty voatifitry ny zandary tetsy Antanimenabe Ambatomirahavavy omaly folakandro

01-déc-2022

Manodidina ny dimy izy ireo no niaraka izay efa niandry tao anaty taxi brousse ny sasany raha araka ny loharanom-baovao azo. Mpiasa iray tao amin’ny tranom-barotra mpambongady simenitra iray tetsy Ambatomirahavavy kosa notafihin’izy ireo raha nikasa hanatitra vola 17 tapitrisa Ar iray tao amina banky iray etsy Imerintsiatosika. Raha vantany vao tafidina ilay fiara io olona nitondra vola io dia voaambana tamin’ny basy. Nosintonin'ireo jiolahy ny sakaosy feno vola teny am-babeny ka nitsoaka izy ireo. Nandritra izany anefa no niditra anètsehatra ny zandary avy ao Ambatomirahavavy ka maty voatifitra ny jiolahy roa. Mbola karohina kosa ireo namany telo hafa izay fantatra fa tao anatin’io taxi brousse io ihany raha efa tafaverina amin’ny tompony ilay volabe.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap