airtel

Fandriampahalemana

15-nov-2021

Fandriampahalemana

Ambatondrazaka Nisy namono ilay ramatoa be avy naka “pension”

Sample post image

Efa tena miharatsy ny fiainana. Ramatoabe 71 taona avy naka vola fisotroan-dronono no fantatra fa nisy namono tao an-tokantranony tao amin’ny Fokontany,Tanambao distrikan’Ambatondrazaka.

15-nov-2021

 Raha araka ny loharanom-baovao voaray dia mipetra-drery ity renim-pianakaviana ity. Efa nisy roa andro anefa izy io tsy hitan’ny fiaraha-monina ka nanaitra ireto farany. Nihidy be rahateo ny trano. Ny zanany tonga avy any Antananarivo tamin’ny faran’ny herinandro teo noho izany no nahita ny razana efa nitsirara tao afovoan-trano. Nopitsohan’ilay zanany ny trano nihidy avy any ivelany ka ny vatana mangatsiakan-dRatompokovavy sisa no hitany teo. Feno mangana maro tamin’ny faritry ny vatan-dRamatoabe. Tombanana ho nisy nanafika sy namono ity renim-pianakaviana hoy ny vaovao. Tsy hita tao an-tokantranony intsony moa ny taratasy fakàny fisotroan-dronono sy ny findainy nandritra izany. Tsiahivina moa fa talohan’ity vono olona mahatsiravina ity dia tovovavy iray ihany koa no tratry ny fanolanana faobe tany Ambatondrazaka.
Pati

 

Dans la même rubrique