airtel

Fandriampahalemana

27-févr-2023

Fandriampahalemana

Ambavahaditokana Itaosy Maty voatsatok’antsy ilay mpitondra taxi-moto

Sample post image

Raha ireo mpitondra taxi moto hatrany teo aloha teo no voalaza fa mpitondra olona mitsoaka ary maka ny entana sy ny fananana rehetra entin’ilay olona dia efa lasibatry ny mpanendaka ihany koa izy ireny amin’izao.

27-févr-2023

Taxi moto iray nanatitra lehilahy iray teny Ambohimarina-Ambavahaditokana Itaosy ny alarobia alina lasa teo no lasibatr’izany. Rehefa nijanona izy ka nanala ilay mpandeha dia notsatohan’ity farany tamin'ny antsy ny tendany. Na izany aza mbola nahavita niady ihany izy sady niantso vonjy. Voatazony vokatr’izany ny kitapon'ity nanindrona antsy azy ka tavela teo ny findainy.Nentin'ny olona haingana tany amin'ny hopitaly moa ilay mpitondra taxi moto ka mbola nahavita nitantara ny nahazo azy. Noho ny ra be very loatra taminy anefa dia dia namoy ny ainy ihany izy. Mécanicien moa no asan’ity lehilahy ity teo aloha saingy nanana moto izy ka mba nanaovany taxi moto ilay kodiaran-droany. Namela kamboty roa moa ity mpitondra taxi moto. Raha araka ny fanazavan’ireo mponina eny Ambavahaditokana Itaosy eny dia tena mahazo vahana tokoa amin’izao ny tsy fandriampahalemana eny amin’iny faritra iny. Ankoatra ny vono olona dia mirongatra ihany koa ny asa fanendahana indrindra raha vantany vao tratra hariva. Misy mpitandro ny filaminana anefa eny an-toerana raha tsiahivina.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique