airtel

Fandriampahalemana

23-juin-2021

Fandriampahalemana

Ambilobe-Ambanja Rongony maina 46 taonina sy voan-drongony 45 kg no tratra

Sample post image

Rongony lena 470.000 fototra, rongony maina 46 taonina, voan-drongony 45 kg nodorana, olona 27 voasambotra tany Analabe Distrikan’Ambanja sy Ambilobe.

23-juin-2021

 Hentitra ny hetsika manokana nidiana tamin'ny zava-mahadomelina nataon'ny Groupement Zandarimaria tao anatin'ny faritra Analabe ao anatin'ny distrika Ambanja sy Ambilobe, nanomboka ny faha 04 ka nifarana ny 20 jona 2021 ka izay no nahatrarana azy ireo, araka ny tatitry ny zandarimariam-pirenena. Velaran-tanin-drongony sahabo ho 61 ha no nopotehina izay nahasaronana rongony maniry 470 000 fototra sahabo ho 94 taonina, rongony efa maina 46.370 kg ary voan-drongony 45 kg ireo sarona ireo. Nahitana basy vita gasy ihany koa tamin'ireo Andian'olona miisa 27 mpamboly rongony teny an-toerana ka ny roa amin'izy ireo dia jiolahy mpamongady (gros bonnets). Nopotehina avy hatrany teny ifotony ireo rongony lena sy maina raha ny 6 taonina maina kosa nodorana teo anatrehan'ny manampahefana sy ny mpanao gazety. Tsy hilefitra ny Zandarimaria fa hofongorina hatrany izay misehatra na manjifa ity karazan-java-mahadomelina ity, izay hita fa mampirongatra ny asan-jiolahy eto amin'ny Nosy. Mbola hitohy ny ezaka, hoy ny zandarimariam-pirenena.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Tranga niseho tamiko ny alahady teo izy ty ka tantaraiko eto mba hitandreman’ny rehetra amin'ny manaraka,

Card image cap
23-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray. Nofitahiny ilay vehivavy ary nentiny tany ambanin'ny CEG Soamalaza,

Card image cap
23-avril-2024

Nifanehatra tamin'ireo zandary nanao fisafoana tao Ambohimilemaka kaominina Mahitsy

Card image cap
23-avril-2024

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap
22-avril-2024

Miha mahery vaika indray ny fanafihana sy fakana an-keriny any amin’ny Distrikan’Ankazobe.

Card image cap
22-avril-2024

Tratran’ny fokonolona teo am-panambatambazana ary nikasa ny hitondra sy hangalatra zazavavy kely

Card image cap