airtel

Fandriampahalemana

20-mai-2022

Fandriampahalemana

Ambilobe Vehivavy 3 tratra nangalatra lavanila maitso

Sample post image

Voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka DIANA ny vehivavy miisa telo afak’omaly 18 mey rehefa nividy lavanila maintso halatra.

20-mai-2022

Fantatry ny mpitandro ny filaminana any amin'iny faritra iny ny fisiana andian'olona manana sy mandray l vanila halatra na lavanila maintso. Nidina ifotony izy ireo nijery ilay tanana voalaza, nanao ny fanaraha-maso izy ireo ka vehivavy miisa telo no tra-tehaka tao amin'ny trano fonenany tao amin'ny Fokontany Andimaka, kaominina ambanivohitra Ambohimena, distrikan’Ambilobe. Nandritra ny fisavana natao dia mbola nahitana fandanjana miisa 02 fampiasan'izy ireo sy vanila maintso milanja 288,70kg tao aminy. Noentina avy hatrany teny amin'ny biraon'ny Polisy CSP Ambanja ireto farany. 32, 46 ary 53 ny salan-taonan'izy ireo hoy ny vaovao.
Nangonin’i Pati
 

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap
17-avril-2024

Namoahan’ny mpitandro ny filaminana didy fampisamborana Rakotoarisoa Mamifetra Joseph,

Card image cap