airtel

Fandriampahalemana

18-juil-2022

Fandriampahalemana

Ambodifilao Misy mpanendaka mampihorohoro amin’ny basy

Sample post image

Ramatoa iray no lasibatra lehilahy iray 22 taona no tra-tehaky ny UIR (Unité d’Intervention Rapide) avy ao amin’ny kaomisaria foibe Antananarivo Renivohitra ny 13 jolay teo teo am-panendahana olona.

18-juil-2022

Nandritra ny fisafoana nataon’ny UIR teny amin’ny faritra Ambodifilao ny alarobia teo tokony ho tamin’ny 08 ora alina no sendra trangana fanendahana izy ireo. Ramatoa iray handeha hamonjy fodiana no nifanena tamin’ity jiolahy ity. Nambanany basy ary norohitiny ny kitapo noentin’ilay vehivavy. Azony ilay kitapo ka niantso vonjeo ity ramatoa. Tsy lavitra teo anefa no toerana nanaovan’ny polisy fisafoana ka nandray andraikitra avy hatrany ireto farany nanenjika ilay jiolahy ka tratra tsy lavitra teo ity farany. Naratra vokatry ny sinto-mahery nampianjera azy ilay Ramatoa ka nentina namonjy toeram-pitsaboana. Mbola tratra teny amin’ilay mpanendaka kosa ireo entana rehetra avy nendahiny tamin’ilay vehivavy ka naverina amin’ity farany. Taorian’ny fanadihadiana natao dia naiditra am-ponja vonjimaika ilay mpanendaka.
Nangonin’i Pati
Legende : Miaraka amin’ny basy ity lehilahy ity rehefa manendaka
 

Dans la même rubrique